Bokin'ny Nomery 10:33
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
34Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
Read all of Bokin'ny Nomery 10
Cross References
Exodus 3:1Ary Mosesy niandry ny ondry aman’ osin’ i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman’ osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
Exodus 24:17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 10:12Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
Deuteronomy 9:9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Joshua 3:2Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
Joshua 4:7dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.