Bokin'ny Nomery 11:10
Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin’ ny isam-pianakaviany, samy teo amin’ ny varavaran’ ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’ i Jehovah; ary tsy sitrak’ i Mosesy koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary raha nilatsaka tamin’ ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
Read all of Bokin'ny Nomery 11
Cross References
Numbers 11:1Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
Numbers 12:9Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izy mianadahy, ka niala Izy.
Numbers 16:27Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
Numbers 21:5Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
Psalms 78:21Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
Psalms 106:25Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.