Bokin'ny Nomery 11:16
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 11
Cross References
Genesis 46:27Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
Exodus 24:1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Numbers 16:25Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
Ezekiel 8:11Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
Luke 10:17Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.