Bokin'ny Nomery 12:1
Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 12
Cross References
Genesis 24:3fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
Genesis 26:34Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’ i Jodita, zanakavavin’ i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’ i Elona Hetita, izy.
Genesis 28:6Ary nony hitan’ i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’ i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao;
Genesis 41:45Ary nataon’ i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’ i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
Exodus 2:21Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
Leviticus 21:14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny.