Bokin'ny Nomery 12:11
Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
Read all of Bokin'ny Nomery 12
Cross References
Exodus 12:32Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
1 Samuel 12:19Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
2 Samuel 19:19Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan’ ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an’ i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak’ i Gera, niankohoka teo anatrehany.
1 Kings 13:6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Psalms 38:1Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana.
Jeremiah 42:2ka niteny tamin’ i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ ny masonao izao),