Bokin'ny Nomery 14:10
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 14
Cross References
Exodus 16:10Ary raha Arona mbola niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny rahona.
Exodus 24:16Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
Leviticus 9:23Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
Numbers 20:6Dia niala teo anatrehan’ ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’ i Jehovah.
Matthew 23:37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!