Bokin'ny Nomery 14:22
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tany rehetra,
Read all of Bokin'ny Nomery 14
Cross References
Genesis 31:7Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan’ Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
Exodus 32:1Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
Numbers 32:12afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
Job 19:3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
Psalms 106:14Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.