Bokin'ny Nomery 14:45
Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’ izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 14
Cross References
Exodus 17:16Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’ i Jehovah amin’ ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’ izay taranany fara mandimby.
Numbers 14:43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
Deuteronomy 1:44Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’ izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
Joshua 7:5Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
Judges 1:17Ary Joda nandeha niaraka tamin’ i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Horma.
1 Samuel 27:8Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.