Bokin'ny Nomery 14:5
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ ny fivorian’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
Read all of Bokin'ny Nomery 14
Cross References
Leviticus 9:24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
Numbers 16:22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
Numbers 17:10Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
Joshua 7:10Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
1 Chronicles 21:16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Daniel 10:9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ ny tany.