Bokin'ny Nomery 14:9
Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 14
Cross References
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Numbers 13:30Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
Numbers 20:2Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
Deuteronomy 1:21indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
Deuteronomy 7:18dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
Deuteronomy 9:7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.