Bokin'ny Nomery 15:20
Hanokana mofo iray izay hatao amin’ ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ ny famoloana no hanokananareo izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Nomery 15
Cross References
Exodus 23:19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Leviticus 2:12fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’ i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
Leviticus 23:10Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo;
Leviticus 23:17Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany.
Numbers 18:12Izay rehetra tsara indrindra amin’ ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko anao.
Deuteronomy 26:2dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;