Bokin'ny Nomery 15:22
Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 15
Cross References
Leviticus 4:13Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
Leviticus 4:27Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Luke 12:48Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.