Bokin'ny Nomery 15:25
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 15
Cross References
Leviticus 4:26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
Leviticus 4:35Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny zanak’ ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
Luke 23:34Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
Romans 3:25Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
1 John 2:2ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.