Bokin'ny Nomery 15:3
ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 15
Cross References
Exodus 29:18ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Exodus 29:41Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Leviticus 1:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
Leviticus 1:13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 7:16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.
Leviticus 22:18Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,