Bokin'ny Nomery 15:30
Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 15
Cross References
Genesis 17:14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
Exodus 30:33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Leviticus 20:6Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.
Numbers 9:13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
Deuteronomy 1:43Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’ i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
Deuteronomy 29:19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.