Bokin'ny Nomery 16:14
Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 16
Cross References
Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Exodus 22:5Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
Leviticus 20:24Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.
Numbers 20:5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
Judges 16:21Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.