Bokin'ny Nomery 16:26
Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
Read all of Bokin'ny Nomery 16
Cross References
Genesis 19:12Ary hoy izy roa lahy tamin’ i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ ity tanàna ity;
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Jeremiah 51:6Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
Acts 8:20Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
2 Corinthians 6:17Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
Revelation 18:4Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.