Bokin'ny Nomery 16:5
ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
6Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
Read all of Bokin'ny Nomery 16
Cross References
Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
Exodus 28:43Ary hiakanjoan’ i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ ny taranany mandimby azy izany.
Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Leviticus 21:12Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
Numbers 17:5ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Psalms 65:4Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.