Bokin'ny Nomery 18:19
Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’ i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
Read all of Bokin'ny Nomery 18
Cross References
Leviticus 2:13Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
Leviticus 21:22Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;
Numbers 18:8Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
Numbers 31:29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.
Deuteronomy 12:6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
2 Chronicles 13:5Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’ i Davida mandrakizay ny fanjakan’ ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin’ ny fanekena nasiantsira.