Bokin'ny Nomery 18:5
Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’ Isiraely intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 18
Cross References
Exodus 30:7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
Leviticus 24:3Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.
Numbers 4:18Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ ny Kehatita tsy ho amin’ ny Levita:
Numbers 8:19Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
1 Chronicles 9:19Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.
1 Chronicles 9:33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.