Bokin'ny Nomery 18:7
Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 18
Cross References
Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
Leviticus 7:35Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
Leviticus 16:12Dia haka vain’ afo eran’ ny fitondran’ afo avy amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba.
Numbers 3:10Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numbers 16:5ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Numbers 18:4Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.