The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 18 › Bokin'ny Nomery 18:8

Bokin'ny Nomery 18:8

Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the LORD spake unto Aaron, Behold, I also have given thee the charge of mine heave offerings of all the hallowed things of the children of Israel; unto thee have I given them by reason of the anointing, and to thy sons, by an ordinance for ever.

In Context

7Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.

9Izao no ho anao amin’ ny zavatra masìna indrindra, avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masìna indrindra ho anao sy ny taranakao izany.

Read all of Bokin'ny Nomery 18

Cross References

Exodus 29:21Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.

Exodus 29:29Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.

Exodus 40:15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.

Leviticus 6:18Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.

Leviticus 7:14Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah; ho an’ ilay mpisorona manopy ny ran’ ny fanati-pihavanana izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Nomery 18:8

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Nomery 18:7Bokin'ny Nomery 18Bokin'ny Nomery 18:9 →