The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 18 › Bokin'ny Nomery 18:9

Bokin'ny Nomery 18:9

Izao no ho anao amin’ ny zavatra masìna indrindra, avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masìna indrindra ho anao sy ny taranakao izany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

This shall be thine of the most holy things, reserved from the fire: every oblation of theirs, every meat offering of theirs, and every sin offering of theirs, and every trespass offering of theirs, which they shall render unto me, shall be most holy for thee and for thy sons.

In Context

8Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.

10Toy ny fihinananao ny zavatra masìna indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masìna ho anao izany.

Read all of Bokin'ny Nomery 18

Cross References

Leviticus 2:3Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.

Leviticus 4:22Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,

Leviticus 5:1Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,

Leviticus 6:19ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.

Leviticus 7:1Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-panonerana: masìna dia masìna izany.

Leviticus 10:12Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Nomery 18:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Nomery 18:8Bokin'ny Nomery 18Bokin'ny Nomery 18:10 →