Bokin'ny Nomery 19:10
Ary ilay nanangona ny lavenon’ ny vantotr’ ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Izay mikasika fatin’ olona dia haloto hafitoana.
Read all of Bokin'ny Nomery 19
Cross References
Exodus 12:49Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
Leviticus 16:28Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Numbers 19:7Dia hosasan’ ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin’ ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin’ ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan’ ny andro ny mpisorona.
Numbers 19:21Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Colossians 3:11Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.