Bokin'ny Nomery 19:20
Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 19
Cross References
Genesis 17:14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
Leviticus 15:31Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Leviticus 22:4Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy,
Numbers 15:30Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Mark 16:16Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
Romans 2:4Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?