Bokin'ny Nomery 20:10
Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
Read all of Bokin'ny Nomery 20
Cross References
Genesis 41:16Ary Josefa dia namaly an’ i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’ i Farao.
Numbers 20:24Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.
Psalms 106:32Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
Daniel 2:28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
Luke 9:54Ary raha hitan’ i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?
Acts 14:9izy nahare an’ i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,