Bokin'ny Nomery 20:22
Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 20
Cross References
Numbers 13:26Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Numbers 20:14Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Numbers 21:4Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
Numbers 33:37Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ ny tany Edoma.
Ezekiel 47:19Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.