Bokin'ny Nomery 20:8
Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
9Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
Read all of Bokin'ny Nomery 20
Cross References
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Exodus 4:17Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
Exodus 7:20Ary nataon’ i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason’ i Farao sy teo imason’ ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
Exodus 17:5Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
Numbers 20:11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Numbers 21:18Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.