Bokin'ny Nomery 22:31
Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 22
Cross References
Genesis 21:19Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
Numbers 24:4Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
Joshua 5:13Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
2 Kings 6:17Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.
1 Chronicles 21:16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Luke 24:16Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.