Bokin'ny Nomery 22:36
Ary nony ren’ i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ ny Tanànan’ i Moaba, teo amin’ ny fari-tanin’ i Arnona, izay eo amin’ ny sisin’ ny fari-tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 22
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Exodus 18:7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
Deuteronomy 2:24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
Judges 11:18Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.
Isaiah 16:2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.
Acts 28:15Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin’ ny Tsenan’ Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra izy ka nahazo toky.