Bokin'ny Nomery 23:24
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
Read all of Bokin'ny Nomery 23
Cross References
Genesis 49:27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
Numbers 24:9Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Deuteronomy 33:20Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
2 Chronicles 9:18Nisy ambaratonga enina amin’ ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana;
Proverbs 30:30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.