Bokin'ny Nomery 24:14
Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 24
Cross References
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Isaiah 24:22Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
Jeremiah 49:39Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
Daniel 10:14Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’ izany andro izany ny fahitana.
Micah 6:5Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah.
2 Timothy 3:1Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.