Bokin'ny Nomery 24:9
Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 24
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Genesis 49:9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
Deuteronomy 30:7Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
2 Chronicles 9:18Nisy ambaratonga enina amin’ ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana;
Job 38:39Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
Psalms 2:12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.