Bokin'ny Nomery 25:11
Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
12Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ ny fihavanako;
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Exodus 34:14Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
Deuteronomy 29:20Dia hosarahin’ i Jehovah amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho amin’ ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ ny fanekena izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity.
Deuteronomy 32:21Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.
Joshua 24:19Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
1 Kings 14:22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.