Bokin'ny Nomery 25:7
Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Numbers 31:6Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
Judges 20:28ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
1 Samuel 19:9Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
Psalms 106:30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.