Bokin'ny Nomery 25:8
dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary izay maty tamin’ ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Numbers 17:13Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Numbers 25:11Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
2 Samuel 21:14Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
1 Chronicles 21:22Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.