Bokin'ny Nomery 26:29
Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
Read all of Bokin'ny Nomery 26
Cross References
Genesis 48:14Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
Numbers 36:1Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe:
Joshua 17:1Ary nahazo zara-tany tamin’ ny filokana koa ny firenen’ i Manase (fa izy no lahimatoan’ i Josefa), dia Makira, lahimatoan’ i Manase, rain’ i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’ i Gileada sy Basana.
1 Chronicles 2:21Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;