Bokin'ny Nomery 26:55
Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
56Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.
Read all of Bokin'ny Nomery 26
Cross References
Numbers 33:54Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’ izay ivoahan’ ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen’ ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
Numbers 36:2Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy.
Joshua 14:2tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.
Joshua 18:6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
Joshua 19:1Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
Joshua 19:17Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.