Bokin'ny Nomery 26:62
Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
61Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Nomery 26
Cross References
Numbers 1:47Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
Numbers 3:39Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
Numbers 4:48izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
Numbers 18:23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Numbers 35:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
Deuteronomy 14:27ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.