Bokin'ny Nomery 27:11
Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
Read all of Bokin'ny Nomery 27
Cross References
Leviticus 25:49na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
Ruth 4:3Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.
Jeremiah 32:8Ary Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ ny trano fiambenana araka ny tenin’ i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’ i Jehovah izany.