Bokin'ny Nomery 28:16
Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And in the fourteenth day of the first month is the passover of the LORD.
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 28
Cross References
Exodus 12:2Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
Exodus 12:11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
Exodus 12:43Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
Numbers 9:3Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
Ezekiel 45:21Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
Matthew 26:2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.