Bokin'ny Nomery 28:26
Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
Read all of Bokin'ny Nomery 28
Cross References
Exodus 23:16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
Leviticus 23:8fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah hafitoana; ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
Leviticus 23:15Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
Numbers 28:18Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
Deuteronomy 16:10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
1 Corinthians 15:20Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.