Bokin'ny Nomery 29:11
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
Read all of Bokin'ny Nomery 29
Cross References
Leviticus 16:3Ary izao no ho entin’ i Arona, raha miditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy: vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
Leviticus 16:9Ary hampanatonin’ i Arona ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
Numbers 29:6ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Daniel 9:24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.
Hebrews 9:25ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ ny fitoerana masìna isan-taona mitondra ny ran’ ny zavatra hafa;