Bokin'ny Nomery 3:31
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
Cross References
Exodus 26:31Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exodus 30:1Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
Exodus 36:35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Exodus 39:33Dia nentiny teo amin’ i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
Exodus 40:30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
Numbers 4:15Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.