Bokin'ny Nomery 31:16
Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
Read all of Bokin'ny Nomery 31
Cross References
Numbers 25:1Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
Numbers 25:18fa izy nandrafy anareo tamin’ ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ ny an’ i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ ny andron’ ny areti-mandringana noho ny an’ i Peora.
Joshua 22:17Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,
Ecclesiastes 7:26ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
Revelation 2:14Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga.