Bokin'ny Nomery 31:23
dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
Read all of Bokin'ny Nomery 31
Cross References
Exodus 19:14Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Leviticus 15:17ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany.
Numbers 19:9Dia hangonin’ izay lehilahy madio anankiray ny lavenon’ ilay vantotr’ ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ ny toby eo amin’ izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an’ ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
Isaiah 43:2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
Malachi 2:2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
1 Corinthians 3:13dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.