Bokin'ny Nomery 31:30
Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Read all of Bokin'ny Nomery 31
Cross References
Numbers 3:7Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Numbers 3:31Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Numbers 8:26kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.
Numbers 18:23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Joshua 9:27Dia natolotr’ i Josoa tamin’ izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana sy ho an’ ny alitaran’ i Jehovah mandraka androany eo amin’ ny tany izay hofidiny.
1 Chronicles 23:32Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.