Bokin'ny Nomery 31:47
ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
46ary olona enina arivo amby iray alina),
Read all of Bokin'ny Nomery 31
Cross References
Exodus 12:28Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
Numbers 18:21Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
Deuteronomy 12:17Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
Psalms 134:1Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an’ i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah.
Luke 10:1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.