Bokin'ny Nomery 32:15
Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 32
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Joshua 22:15Dia tonga tany amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase tany amin’ ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
Joshua 22:18no dia mihodìna miala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin’ i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
Matthew 18:7Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.