Bokin'ny Nomery 34:11
dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
Read all of Bokin'ny Nomery 34
Cross References
Joshua 11:2ary ireo mpanjaka tany amin’ ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ ny tani-hay atsimon’ i Kinerota sy tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ ny havoan’ i Dora andrefana,
Joshua 13:27ary teo amin’ ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin’ ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy ny amoron’ i Jordana hatramin’ ny amoron’ ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan’ i Jordana.
2 Kings 23:33Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Jeremiah 39:5Fa ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao Ribla tao amin’ ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
Jeremiah 52:26dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
Luke 5:1Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;